Mahajanga: Tafapetraka ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra

  • lundi, 30 octobre 2017 17:35
  • Sary Sobika Mahajanga

Miisa 20 ireo mpikambana raikitra vaovao eto amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria Mahajanga hisahana indray ny fitantanana ny raharaha rehetra mandritra ny 4 taona manaraka.

I Mourad Eustratiou no filoha hitantana izany, lany nandritra ny fifidianana natao ny volana martsa teo. Hampiroborobo ny Antenimieran’ny Varotra eto Mahajanga no fanamby ho tombotsoan'ny mpandraharaha rehetra sy ny faritra Boeny fa indrindra koa ny hisitrahan'ny rehetra tombotsoa mivantana avy amin'izany.

Fivondronan’ireo mpandraharaha rehetra ato anatin’ny faritra Boeny no mandrafitra ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria ary izy no mandrindra ny fifaninanana ara-toekarena amin’ny fanomezam-baovao ireo mpandraharaha, indrindra ny fampifandraisana ireo miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.

Anisan’ny fandaharan’asa goavana ho tanterahin’ireto mpikambana ireto ny hanafarana “pont bascule” vaovao, izay sady ho tombotsoan’ny faritra Boeny amin’ny fampidirana tamberimbidy (ristourne) ihany koa.

 

Commentaires (48)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa