Madagasikara: 15% mponina ihany no manana herinaratra

  • jeudi, 14 septembre 2017 20:08

Vita androany ny sonia teo amin’ny sampandraharaha amerikana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana (USTDA) sy ny orinasa malagasy mpamokatra herinaratra Henri Fraise Fils & Cie, nanomezana fanampiana hampiroboroboana sy hananganana tambazotra madinika mpamokatra sy mpitsinjara herinaratra eto Madagasikara, raha 15% mponina ihany no manana herinaratra hatreto.

Ity fifanarahana ity dia hoentina manohana ny fanadihadiana teknika sy ara-barotra momba ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ary ny fitsinjarana ireo herinaratra ireo amina tanàna miisa 100. Tafiditra anatin’izany koa ny andrana famokarana sy fitsinjarana herinaratra any Belobaka.

Nilaza ny filoha lefitry ny orinasa Henri Fraise, Nicolas Verbert, fa “ankasitrahanay ny tohana omen’ny USTDA amin’ny fiarahanay miasa amin’ny orinasa Fluidic, hametrahana ny famokarana herinatra amin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ary ny fitsinjarana izany. Ny famatsiam-bola avy amin’izy ireo dia sady hanatsarana ny fitrandrahana ara-barotra io teknika famokarana herinaratra io no hoentina hanapariahana izany manerana an’i Madagasikara”.

Ny orinasa Henri Fraise dia miara-miasa amin’ny orinasa Fluidic avy any Scottsdale any Arizona, Etazonia izay mpamokatra vatoaratra amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana sy ny andrana amin’ity tetikasa ity. Fluidic, Inc. no hitondra ny teknolojia fitehirizana ny angovo. Hisy orinasa amerikana hafa toa ny Caterpillar avy any Peora any Illinois sy First Solar avy any Perrysburg any Ohio handray anjara amin’ity tetikasa ity.

Ny masoivohon’i Etazonia Robert Yamate no nanao sonia ny fifanarahana tamin’ny anaran’ny USTDA nandritra ny lanonana izay notanterahana teny amin’ny ministeran’ny angovo teto Antananarivo, ary nanatrika izany ny filoha lefitry ny orinasa Henri Fraise Fils &Cie, Nicolas Verber,t sy ny filoha lefitry ny orinasa Fluidic, Richard Hallas.

 

Commentaires (166)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.