Asa velotena: Mpanety - Métier du coiffeur au norme sanitaire et rentable

  • samedi, 09 septembre 2017 17:38
  • Sary Njaka

Anisan’ny fivelomana azo atao ihany koa ny Manety volo, ity lehilahy ity izao dia mahavelona azy sy ny vady aman-janany ny asa manety volo .Manodidina ny iray alina isan’andro eo ny azony amin’izany ary mihoatran’ny roa alina ariary izany rehefa tena mandeha.

Mampiasa alikaola izy rehefa manadio ireo fitaovana ampiasainy ary manolo lalandava ny lame isaky ny olona mihety ao aminy.

Afa-po ireo mpanjifa satria dia mirary ny saram-pihetezana ary voakaly tsara ny asa ary azo lazaina fa madio sy manara-dalana ireo fitaovana ampiasaina.

Arivo ariary dia efa mihety ary diman-jato sy arivo kosa raha miaraka amin’ny volom-bava.

 

Commentaires (205)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa