Atsimo Atsinanana: 10.000 Ariary ny kilaon’ny jirofo

  • lundi, 04 septembre 2017 17:43
  • Sary Sobika Vangaindrano

Nanapa-kevitra ny ao amin'ny faritra Atsimo Atsinanana fa efa azo atao ny manangona ny vokatra jirofo noho ny fiovaovan'ny toetr'andro ka tsy miara-matoy ny vokatra. Na izany aza dia ny fivezivezeny ao anatin'ny faritra aloha no azo fa tsy maintsy mandoa tamberimbidy eny amin'ny Kaominina kosa raha hivoaka ny tanàna.

Ny famoahana azy ivelan'ny faritra kosa dia mbola miandry mba hitazomana ny atsaran'ny vokatra any amin'ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny lehiben'ny Faritra Atsimo Atsinanana, Dr Théodoret ka hampahafantarina ihany aorian'ny fihaonana eo amin'ireo mpisehatra.

Manodidina ny 6.000 Ariary ka hatramin'ny 10.000 Ariary ny kilaon’ny jirofo amin'izao fotoana izao. Ny seham-pihariana jirofo izay anisan'ny mampidi-bola voalohany ny faritra Atsimo Atsinanana satria mampiditra hatrany amin'ny 600.000.000 Ariary isan-taona ho an'ny faritra ka ny ampahefan'io vola io ho an'ny Kaominina niavian'ny vokatra.

Etsy andanin'izay anefa dia efa manahy sahady amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana aty Vangaindrano ireo olon-tsotra satria dia efa 650 Ariary ny kapoaky ny vary gasy amin'izao fotoana izao nefa ny fidiran'ny mpianatra ihany koa tsy maintsy hatrehina.

 

Commentaires (49)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa