Antsirabe: Raikitra ny « Vitrine du Vakinankaratra »

  • jeudi, 31 août 2017 22:11
  • Sary Sobika Antsirabe

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 31 aogositra ka haharitra hatramin’ny 2 septembra ny « Vitrine du Vakinankaratra » andiany faha-20, manoloana ny garan’Antsirabe.

Trano heva miisa 152 no ampiratiana ireo vokatry ny mpamboly sy mpanodina akora, madinika sy salantsalany, mpikambana ao amin’ny FIOVA, izay omena sehatra manokana mandritra ity hetsika ity.

Nambaran’Atoa Ramarojaona Andrianjafy, filohan’ny FIOVA, fa natao hampisehoana ny fahaizamanao sy ny zava-bita ny hetsika ary ny asa ataon’ny tsirairay. Natao handrefesana ny hoavy ihany koa ny hetsika ka ahafahana mahita fa mandroso ny faritra Vakinankaratra.

Nanamafy izany ny minisitry ny indostria Tazafy Armand, fa ny sehatra tsy miankina tokoa ny antoky ny fampandrosoana fa ny anjara asan’ny fanjakana dia manamora ny fampandrosoana fotsiny ihany.

Valandresaka narahina adihevitra miisa 7 no hiseo mandritra ny hetsika ka ny 4 no vita nandritra ny andro voalohany.

 

Commentaires (24)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa