Mahajanga: Niverina nisokatra ny orinasa Bidco

  • lundi, 28 août 2017 08:44
  • Sary Sobika Mahajanga

Nivaly ny fitakian'ireo mpiasa ao amin'ny orinasa mpamokatra menaka Bidco, eny Amparemahintsy-Mahajanga. Niverina nosokafan'ny fanjakana nanomboka ny faran'ny herinadro teo ity orinasa ity rehefa nakatona nandritra ny volana maromaro noho ny tsy fananana atontan-taratasy mazava ahafahany mamokatra sy mivarotra menaka.

Nisy ny fitokonana nataon'ireo mpiasa maherin'ny 150 tamin'izany nitakiana ny tokony hikaroham-bahaolana satria sahirana ireo mpiasa voatery niato tamin'ny asany.

Ho fanamarihana io fisokafana io ary dia nisy ny fanaovana ny joro araka ny fomba Sakalava teny an-toerana mba ho fanajana ny fomban-drazana sy ho fanomezana hasina ny mponina eny amin'ny Fokontany Amparemahintsy.

Omby 3 sy vary 30 gony, menaka ary zava-pisotro mamy no nozaraina tamin'ireo mponina teny. Hanomboka hiodina amin'izay ny orinasa Bidco ary hamokatra sy hivarotra menaka.

Ny zanaky ny faritra no mahazo tombony voalohany amin'ny fitsanganan'ny orinasa tahaka izao noho ny famoronana asa izay lesoka lehibe mampidina ny fahefamividin'ny Malagasy ka anisan'ny mahatonga ny fahantrana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (69)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa