Varotra fiara: Tsy omena toerana sahaza azy

  • mercredi, 23 août 2017 07:48
  • Sary Njaka

Fantatra fa fiara 10 000 isan-taona no miditra eto Madagasikara, ny atsasany dia fiara vaovao, ny 5 000 ambiny kosa dia fiara efa niasa, na ilay hoe occasion.

Ny 60% n'ireo dia gas-oil ary ny ambiny dia lasantsy. Ny Mercedes no mitana laharana voalohany amin'ireo fiara lafo 3.7% ny vaovao, 22.7% occasion, ary manaraka azy ato aoriana ny Renault 11.5% ny vaovao 12.3% ny occasion, ny Hyundai 4.5% ny vaovao, 20.1% ny occasion, ny Toyota 12.9% vaovao, 7.5% occasion, Nissan 16.8% vaovao, 3.2% occasion, Volkswagen 1.8% vaovao, 6.3% occasion, Peugeot 1.6% vaovao, 3.2% occasion, ny Mazda kosa dia nihemotra any amin'ny 6.0% vaovao ary 2.7% ny occasion.

Mitaraina anefa ireo mpandraharaha ny fiara, fa toa lasa entam-barotra akasarotina, na ny hetra famoahana azy any amin'ny ladoany, na ny mutation famindrana anarana, na ny hetra marobe ampitataovana azy toy ny carte grise biométrique, nefa ny Polisy sy Zandary misava aza tsy manana fitaovana amakiana azy akory fa dia toy ny teo aloha mamaky izay voasoratra fotsiny.

Tsy mba misy toerana manokana, fa dia asesika amin'ny toerana iray ary mandoa vidana parking lafo isan'ora.

Ny fiara anefa tokony ho fitaovana ampiasaina andavan'andro, fa tsy entana natao ho sarobidy ho famantarana hivelany ihany.

Maro koa anefa ireo milaza mpivarotra fiara, nefa dia fiara halatra, hosoka, fiara efa namboamboarina sy afenina aretina no amidy tsara loko, dia lazaina fa bonne occasion, tsy misy antoka. Misy koa ireo mody mividy manao essai, dia any dia tsy hita ny fiara, ny vola tsy voaloa.

Mila matihanina tanteraka ity sehatr'asa ity, satria dia maro ireo mivelona aminy ary manao tsara ny asany.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (53)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa