Mahavelona Foulpointe: Lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fihazana « tekateka »

  • mercredi, 07 juin 2017 12:38
  • Sary Sobika Toamasina

Isan’ny fiveloman’ireo « plagistes » an-jatony eto Mahavelona Foulpointe ny fihazana « tekateka ». Manomboka misy olana anefa ity karazana hazandranomasina ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, eo koa ny fitrandrahana azy tafahoatra noho ny filan’ny mpanjifa, ary ny fahalotoan’ny tontolo iainana noho ny habetsahan’ny mpizahatany mampiasa ny ranomasina ivelomany.

Na izany aza dia nambaran’ireo « plagistes » maka itony « tekateka » itony aty Mahavelona Foulpointe, fa 60 kg isan’andro no azon’izy ireo hamatsiana ny tsena, manodidina ny 200 Ariary hatramin’ny 1.500 Ariary ny vidiny iray arakaraka ny habeny.

Isany nanao fampiratiana ny vokatra ataony izy ireo nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny Tontolo iainana natao teto Mahavelona Foulpointe ny Alatsinainy ny Pentekosta teo.

 

Commentaires (82)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa