Antsirabe: Tontosa ny fifamindram-pitantanana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria

  • dimanche, 04 juin 2017 21:15
  • Sary Sobika Antsirabe

Tontosa ny harivan’ny alarobia 31 Mey ny fifamindram-pitantanana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria teto Vakinankaratra.

Fantatra tamin’izany fa efa mandeha ny fitoriana nataon’ny Fivmpama Antsirabe teny amin’ny fitsarana momba ny resaka tsy fanarahan-dalàna nataon’ny Fiova, izay marihina fa ireo fikambanana roa ireo no mpifaninana taty an-toerana.

Nambaran’Atoa Mandrindra Andrianjanaka, filoha teo aloha fa efa misy ny fitsarana mandeha eto Antsirabe sy any Antananarivo ary any amin’ny bianco amin’izay tsy fanarahan-dalàna hitan’izy ireo izay.

Nanambara koa i Dr Antonio, filoha vaovao fa na eo aza izany dia mandray ny asany izy manomboka izao fa ny fitsarana no manao ny asany dia ho hita eo ny tohiny.

Na izany aza dia vita am-pilaminana ny fifamindran-draharaha.

 

Commentaires (6)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa