Analovana Vohémar: Lavanila milanja 180 kg tao anaty sachet miisa 27 saron’ny Zandary

  • mercredi, 31 mai 2017 09:41
  • Sary Sobika Sambava

Zandary avy ao Ampanefena no nahasarona ireto entana ireto, tao Analovana Vohémar ny alatsinainy 29 mey, tokony tamin'ny fito ora alina araka ny nambaran’ny Commandant de Compagnie Vohémar, Lieutenant Rasolofoherintsoa Stephanson.

Nogiazina eto amin’ny biraon’ny Zandarimaria Ampanefena ireto lavanila ireto, izay nokasaina halefa any Antalaha raha niainga avy tany Ankaramibe Antsohihy Faritra SOFIA.

Tsy mbola misy lavanila afaka mandehandeha aty SAVA amin’izao fotoana izao, hoy ny SG Faritra Sabotsy Samuel, sady tsy nanana taratasy fahazoan-dalana rahateo ireto entana tratra ireto.

Nanaitra anefa ny nahitana karatra maha mpanangona lavanila tsy misy anarana (vierge), tany amin’ny olona nitondra ny entana nefa misy fitomboky ny sekretera jeneralin’ny Plateforme Nationale de la filière Vanille, izay mampiahiahy ny fisiany.

Hatolotra ny Fitsarana ambarantonga voalohany any Antalaha ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny Zandary.

 

Commentaires (3)
  • Indications For Cephalexin 500 Mg Capsule Buy Atomoxetine Online India Cialis 5mg Or 10mg [url=http://cheapviafast.com]viagra online pharmacy[/url] Se Vende Viagra Sin Receta Medica Rezept Viagra Arzt
    dimanche, 05 novembre 2017 01:42
  • isotretinoin can i purchase [url=http://cialvia.com]cialis[/url] Canadian Pha
    mardi, 01 août 2017 06:12
  • Pastillas Cialis Efectos [url=http://lowpricevia.com]viagra[/url] Sky Pharmacy Canada Mail Order
    mardi, 18 juillet 2017 14:11
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa