Boeny : Manomboka ny 20 mey 2017 ny taom-piotazana Lojy

  • samedi, 20 mai 2017 18:25
  • Sary nomena

Nisokatra amin’ny fomba ofisialy anio sabotsy 20 mey 2017 ny taom-piotazana Lojy na Black eyes eto amin’ny faritra Boeny araka ny fampahafantarana nataon’i Lehiben’ny Faritra, ny zoma 19 mey 2017 tao amin’ny biraony, ao amin’ny Bloc Administratif Ampisikina.

Ny Marchés Contrôlés, izay vao napetraka, na ny Tsena voaara-maso manomboka eto no mifehy ny fivezivezen’ity vokatra sangany eto Boeny ity. Manomboka any amin’ny mpamokatra hatrany anaty sambo.

Anisany fepetra napetraka tamin’ity taom-pambolena 2017 ity ny fanaraha-maso manokana ny fampiasana ny fanafody famonoana biby kely amin’ny voly Lojy.

Niteraka olana goavana izy io tamin’ny taon-dasa araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra Boeny ihany, satria vokatra Lojy tamina kaontenera maromaro no naverin’ireo mpandray ny vokatra avy any ivelany tao amin’ny seranan-tsambon’I Mahajanga.

Rehefa nataon’izy ireo mantsy ny fitsirihana ny vokatra tany amin’ny laboratoara tany an-dafy tany dia avo be, tsy mifanaraka amin’ny vokatra BIO, notakian’izy ireo ny fatran’ny fanafody famonoana biby kely nampiasain’ireo tantsaha taty an-toerana, ary mety ahatohina ny fahasalaman’ireo mpanjifa any ivelany izany.

 

Commentaires (42)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa