Fiangonanana Loterana Malagasy: Hisehatra amin'ny famokarana éthanol

  • vendredi, 05 mai 2017 23:04
  • Sary Sobika Antsirabe

Hiatrika ny famoronana asa sy ho fiarovana ny tontolo iaina ny Fiangonana Loterana Malagasy. Hisy araka izany ny fananganana orinasa hamokatra ny angovo fandrehitra dia ny éthanol izany, ka eto Antsirabe no hanorenana ny ozinina hamokatra izany ary heverina hotokanana amin’ny 19 mey ho avy izao ity toeram-pamokarana éthanol vaovao ity.

Hamokatra hatrany amin’ny 5000 litatra isan’andro ity ozinina ity raha ny nambaran’ny filohan’ny FLM Pastora Dr Rakotonirina David ary fikarohana nataon’ny manampahaizana Malagasy avokoa no hanaovana izany.

Efa nisy ny andrana natao ka mahatratra 96° no tahan’ny alikaola vokarina amin’izany izay ilainy amin’ny fandrahoana sakafo aloha vao ho hita ny tohiny.

Mila mangahazo sy fary hatrany amin'ny 5 taonina isan'andro ity toerana ity rehefa tena mihodina tsara ka efa mandeha ny fampirisihana ny olona hamokatra ireo vokatra ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa