Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria : Nifidy ny filohany ny teto Vakinankaratra

  • mardi, 25 avril 2017 14:25
  • Sary Sobika Antsirabe

Roso tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ny teto Vakinankaratra ny alatsinainy 24 aprily 2017. Ireo mpifidy vaventy niisa 34 izay nanaovana ny fifidianana moa no miatrika izany, izay ny solontenan’ny FIOVA sy ny FIVMPAMA no mandrafitra izany ka ny 24 dia avy tamin’ny FIOVA na ny Fivondronan’ny Orinasan’i Vakinankaratra, ary ny 10 dia avy amin’ny FIVMPAMA na ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy.

Tsy niatrika izany anefa ny FIVMPAMA io alatsinainy io, saingy nambaran’ny FIOVA kosa fa feno ny fepetra ahafahana miroso amin’ny fifidianana ka dia roso izy ireo ary dia voafidy hitantana ity Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ity i Dr Andrialalainarivo Antonio Anselme, filohan’ny Holafitry ny Farmasianina eto Vakinankaratra.

“Fantatro ny olana misy teo amin’ny mpifanandrina ka ny handravona izany no asa maika”, hoy izy satria tsy nahakasika azy, ireny olana samihafa niseho an-gazety ireny.
Isan’ny nambarany ihany koa ny famahana olana ny resaka RCS na ny « Registre du Commerce et des Sociétés », izay nahabe resaka teto Vakinankaratra.

Nisy fiantraikany tamin’ny FIOVA ihany ny resaka tamin’ny haino aman-jery ka tsy nirotsahan’ny filohan’ny FIOVA tamin’ny ora farany ny fitantanana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria teto Vakinankaratra.

 

Dans la même catégorie
Commentaires (2)
  • Cialis Anwendung Farmaci Con Dapoxetina Zentel Find [url=http://cheapviafast.com]viagra online[/url] Propecia Achat Canada Forum Levitra Sans Ordonnance Order Lasix Overnight Delivery
    jeudi, 12 octobre 2017 13:12
  • Amoxicillin And Death In Cats [url=http://cialtobuy.com ]cialis[/url] Super Kamagra Gunstig
    mardi, 26 septembre 2017 15:07
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa