Sambava : Voafaritra ny tetiandron’ny taom-piotazana lavanila 2017 eto Madagasikara

  • dimanche, 05 mars 2017 13:24
  • Sary Sobika Sambava

Na teo aza ny savorovoro madinidinika teo ampiandohan’ny fifanankalozan-kevitra momba ny fandrafetana ny tetiandron’ny taom-pihotazana lavanila dia tontosa soa aman-tsara ihany izany.

Faritra DIANA sy Sofia Ankaramibe (Zone littorale) :15 mey
Faritra Atsimo Atsinanana : 07 jona
Faritra Atsinanana : Amin’ny tapany faharoan’ny volana jona
Faritra SAVA (Zone littorale) sy Analanjirofo (Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina) : 20 Jona
Faritra Analanjirofo (Maroantsetra, Mananara) : 07 jolay

Amin’ny 31 Marsa 2017 no daty hikatonan’ny fivezivezen’ny lavanila masaka manerana ny Nosy.

Ny “Comité Observatoire à la Floraison” ivondronan’ireo teknisianin’ny fambolena no namoaka ny daty, fa anjaran’ny fanjakana no hamoaka azy mba hanankery.

Mpizaika eo amin ny 50 eo, nahitana solontena avy amin’ireo Faritra fito mamokatra lavanila eto Madagasikara, notarihin’ny avy ao amin’ny Plateforme Vanille, no nandray anjara tamin’ity atrikasa teto Sambava ity.

 

Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa