ITM andiany faha 6

  • mercredi, 01 mars 2017 15:32
  • Photo: Sobika

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Village Voara (ex Francophonie) ny Foaran’ny fizahantany eto Madagasikara na ny ITM (International Tourism Fair Madagascar).

Andiany faha 6 izy ity, izay karakarain’ny Ministeran’ny fizahantany eto Madagasikara ny 08 ka hatramin’ny 11 jona 2017 ho avy izao eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka.

Nisy ny fampahafantarana sy fitsidihana ny trano sy ireo izay mety ho endriky ny fampirantiana maro samy hafa natao tamin’ireo mpampiranty sy ireo olona nasaina teny.

Maro ny zavatra hiseho eny, raha amin’ity taona ity fotsiny dia mahatratra 200 ny trano heva izay 111 amin’izany dia tafiditra amin’ny sehatry ny fizahan-tany fotsiny, 53 isan-jaton’ny trano heva eny an-toerana dia efa voafandrika avokoa.

Ity fampirantiana ity moa dia ho an’ny olona rehetra liana amin’izany. Amin’io ihany koa ny fotoana lehibe iarahan’ireo fikambanana ao anatin’ny sehatry ny fizahantany izay miara mifandray tanana.

8000 ny mpitsidka andrasana raha 5000 izy tamin’ny taon-dasa.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa