Lodsia malagasy : Mila 50 kaontenera ny any Dubai

  • lundi, 14 novembre 2016 07:46
  • Sary Sobika Toamasina

Tsena vaovao ho an’ny vokatra lodsia Malagasy nanomboka tamin’ity taom-piotazana 2016 ity i Dubai. Mitady 50 kaontenera ny tsena any.

Vokatr’io dia tsy voahaja ny datin’ny 12 novambra fisokafan’ny taom-piotazana, fa 24 ora nialoha dia efa nanangona lodsia ireo orinasa mpanondrana lodsia any ivelany.

Sambo roa mahazaka 17.500 taonina kosa no hiazo an’i Eoropa toy ny mahazatra. Hiala eto Toamasina amin’ny alarobia 16 novambra izao ny sambo voalohany, ary amin’ny faran’ny herinandro ho avy kosa ny sambo faharoa hamarana ny fanondranana lodsia amin’ity taona ity, hamonjy tsena krismasy.

1.000 Ariary ny kilao no ividianan’ireo mpanondrana amin’ny mpanangom-bokatra izay maka ny lodsia any amin’ny tantsaha 6.000 Ariary hatramin’ny 7.000 Ariary ny kesika 10 kilao, miampy ny sarandalana izay miovaova arakaraky ny halaviran-dalana sy lanjan’entana.

Rehefa tonga eo amin'ny triage anefa dia mbola betsaka ny very sy tsy ekena, na simba.

 

Commentaires (2)
  • Prix Du Tadalis Sx Generic Propecia Reviews [url=http://leviinusa.com]levitra vs cialis[/url] Best Price Cialis 5 Mg 315 Canada Pharmacy Online No Prescription Canadian Pharmacy Cialis
    jeudi, 02 novembre 2017 13:46
  • Brand Name Viagra Cheapest Betamethasone Ointment 0.05 Buy Fincar 5mg Cheap [url=http://cheapviasales.com]viagra[/url] Avodart 0.5 Mg Buy
    mardi, 31 octobre 2017 01:56
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa