Economie

    • lundi, 30 octobre 2017 17:35
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Tafapetraka ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra

    Miisa 20 ireo mpikambana raikitra vaovao eto amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria Mahajanga hisahana indray ny fitantanana ny raharaha rehetra mandritra ny 4 taona manaraka. I Mourad Eustratiou no filoha hitantana izany, lany nandritra ny fifidianana natao ny volana martsa teo. Hampiroborobo ny Antenimieran’ny Varotra eto Mahajanga no fanamby ho tombotsoan'ny mpandraharaha rehetra sy ny faritra Boeny fa indrindra koa ny hisitrahan'ny rehetra tombotsoa mivantana avy amin'izany. Fivondronan’ireo mpandraharaha rehetra ato anatin’ny faritra Boeny no mandrafitra ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria ary izy no mandrindra ny fifaninanana ara-toekarena amin’ny fanomezam-baovao ireo mpandraharaha, indrindra ny fampifandraisana ireo miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Anisan’ny fandaharan’asa goavana ho tanterahin’ireto mpikambana ireto ny hanafarana “pont bascule” vaovao, izay sady ho tombotsoan’ny faritra Boeny amin’ny fampidirana tamberimbidy (ristourne) ihany koa.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 octobre 2017 13:54
    • Photos Fournies

    Lancement de Blueline Business

    Afin de mieux servir les intérêts de ses clients Entreprises, Blueline réorganise ses activités B2B sous le nom de « Blueline Business ». Blueline en quelques mots Blueline est au service des Entreprises malagasy et internationales depuis plus de 20 ans.Blueline est à la pointe de la technologie et de l’innovation depuis sa création en 1997 :
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 octobre 2017 13:17
    • Photos: Région Boeny

    Région Boeny: Pilote pour le développement

    Le Ministère de l’Economie et du Plan et la Région Boeny ont organisé un « dialogue économique aux fins de la conception d’un outil d’appui au développement régional pour l’effectivité de la croissance inclusive du Plan National de Développement (PND) - Région Boeny». Pour ce faire, un atelier a eu lieu hier à l’hôtel les Roches Rouges Mahajanga.Les acteurs économiques dans la Région Boeny se sont donc réunis afin d’approfondir, de débattre et de dégager des réflexions permettant d’avoir un document d’orientation stratégique qui se rapporte sur différents points, à savoir, les problématiques liées au développement des facteurs clés prédéterminés et identifiés pouvant stimuler la croissance inclusive dans la Région Boeny, les réponses concrètes pouvant transformer ces problématiques en opportunités, la sélection des actions prioritaires concrètes et ciblées susceptibles d’aider les décideurs dans leur prise de décisions et enfin l’identification des portes d’entrées pour chaque priorité retenue y compris les objectifs et les résultats attendus.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 octobre 2017 15:29
    • Photo Sobika

    Filière vanille: Cafouillage total dans la délivrance de l’agrément exportateur

    L’Etat avait fixé la date d’ouverture de l’exportation de vanille pour le 15 octobre dernier, et normalement la liste de ceux qui auront l’agrément exportateur devait sortir avant cette date. Après plusieurs micmacs et une 1ere liste sortie (pour approbation de la PNV), une soi-disant liste définitive est sortie mercredi dernier. Malheureusement, plusieurs exportateurs qui exportent et travaillent dans cette filière depuis plusieurs années n’ont pas eu leurs agréments sans qu’on leurs disent la raison: ils ont rempli les conditions exigées par le ministère concerné. On les rassure en leur disant qu’il y aura une 2eme liste qui va sortir (quand ?). En attendant, ces exportateurs sont bloqués avec leurs envois prévus ces prochains jours, et leurs clients qui les ont pré-financés sont dans l’incompréhension totale.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 octobre 2017 18:40

    Faritra Atsinanana: Hisokatra ny 16 oktobra ny taom-piotazana jirofo

    Araka ny didim-pitondrana 014/2017/Res-Ats navoakan’ny Faritra Atsinanana ny zoma 13 oktobra 2017 dia hisokatra ny alatsinainy 16 oktobra amin’ny enina ora maraina ny taom-piotazana jirofo. Mamokatra an’arivony taonina isan-taona ny Faritra Atsinanana, ary vokatra isany mampidi-bola amin’ny Faritra izy amin’ny tamberimbidy sy haba samihafa. Velona ahiahy anefa ireo mpandraharaha manoloana ny fisian’ny valan’aretina pesta ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana, sao hiteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mpanangom-bokatra sy ny tantsaha toy ny tamin’ny taona 2000 nisian’ny valanaretina kôlera indray.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 octobre 2017 14:29
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Matsiatra Ambony: Misokatra ny lalampihariana ovy

    Manodidina ny 18 ka hatramin'ny 25 taonina isaky ny hektara ny vokatra azo nandritra ny heritaona. Tanjona arak'izany ny azahoana 60 taonina amin'ireo 3 hektara iasan'ny tetikasa. Napetraka ihany koa io fiaraha-miasa io mba hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo. 220kg isan'olona isa-taona no fihinanam-bary eto Matsiatra Ambony raha 115kg/ olona/ taona izany ho an'ny faritra hafa maneranany Nosy. Ka ho fiatrehana ny fiovan'ny toetrandro sy ny fahasarotan'ny fambolena aterak'izany dia najoro io tetikasa io. Mandray roa ny tarigetra arak'izany, ny fiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fitohizan'ny asa eo amin'ny famolahana ny tsenan'ny ovy ilain'ireo trano fisakafoana lehibe no kendrena ao anatin'ny lavitr'ezaka.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 octobre 2017 13:05

    Vangaindrano : Tafakatra 14.000 Ariary izao ny kilaon’ny jirofo

    Nisokatra ny 20 septambra teo ny taom-piotazana jirofo aty Atsimo Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity, na dia efa toy izany aza ny tamin’ny taon-dasa. Mahazatra ny tantsaha aty an-toerana mantsy, dia tsy misesy fa isaky ny roa taona eo no ahazoana vokatra toy izao ny jirofo aty amin’ity faritra ity. 11.000 Ariary ny kilaon’ny jirofo tamin’ny andro nisokafan’ny tsena. Tafakatra 14.000 Ariary izy amin’izao, ary mety mbola hihoatra lavatra an’izany, satria mbola any amin’ny fiandohan’ny taona, na volana febroary any vao mifarana ny taom-piotazana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 octobre 2017 09:28
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe: Fitsirihana ny nofon-tany, nahazo "Caravane-Laboratoire"

    Isan’ny tetikasa hiarahana amin’ny firenena Maraokanina ny fitsirihina ny nofon-tany. Nosantarina tamin'ny fomba Ofisialy nandritra ny fankalazana ny faha 45 taon’ny Fifamanor Antsirabe ity tetikasa ity, izay ahitana laboratoara mandehandeha amin’ny alalan’ny kamio iray sy fiara 4X4 roa ary Moto miisa 6. Tanjona ny hitiliana ny atsaran'ny tanin’ny tantsaha amin’ny ahafahana manatsara ny famokarana sy ny fanatsarana ny nofon-tany. Faritra roa moa no hanombohana izany dia i Vakinankaratra sy Alaotra-Mangoro ka ny famokarana Vary, Katsaka, Ovy ary Saoja no hifantohan’ny fikarohana amin’ireo faritra roa ireo aloha. Araka izany dia ny FOFIFA no mitantana ireto fitaovana ireto, izay fanomezana tamin’ny fitondrana Maraokanina ka hivezivezy amin’ireo faritra roa ireo.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 octobre 2017 09:03
    • Sary Sobika Antsirabe

    Mpiandraiki-draharaha Indonezianina: Nitsidika an'i Vakinankaratra

    I Vakinankaratra no faritra voalohany notsidihan'ny mpiraki-draharaha Indonezianina vaovao eto Madagasikara ny tolakandron’ny zoma 29 septambra lasa teo. Nambarany fa anton’izany ny fisian’ireo Indostria vaventy sy mpanao asa-tanana eto Vakinankaratra. Ankoatra ny fitadiavana fiaraha-miasa moa, dia isan’ny anton-dian’ity tompon’andraikitra ity ny fitsidihana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Vakinankaratra ka nanasana ireo mpandraharaha hiatrika ny TEI 2017 any Indonezia. Ny TEI moa dia TradExpo International, izay foara goavam-be any Indonezia ka andiany faha 32 ity hatao amin’ity taona ity. Fantatra tamin’izany fa mbola kely dia kely ny fifanakalozana ara-barotra misy eo amin’ny firenena roa tonta ka fanirian’izy ireo ny hampivelarana izany bebe kokoa ka nahatonga ny fanasany an’I Madagasikara amin’ity hetsika ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 septembre 2017 19:02

    Foire économique de la Région DIANA - Meva 2017

    Nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 30 septambra ho avy izao ny Foara ekonomika ho an’ny faritry Diana, izay atao eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’ny Diego-Suarez. Ity foara ity, izay antsoina ihany koa hoe MEVA 2017 dia karakarain’ny Chambre de Commerce sy ny Indostria avy eto Diego. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izay notronin’i Andriamatoa Shabanie Nourdine minisitry varotra, Rolland RATSIRAKA minisitry ny fizahantany, ny minisitry ny serasera Harry Laurent RAHAJASON, ny Solombavambahoaka Jocelyne Maxime sy ny Ben'ny Tanàna eto an-toerana Djavojozara Jean Luc Désiré, hotronin'ireo tompon'andraikitra ambony maro.  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 38