Economie

    • mardi, 30 avril 2019 21:29
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Nisintona lakolosy fanairana ireo mpikirakira lavanila tsy voaefa trosa

    Nifamotoana tao amin'ny efitrano malalaky ny Faritra SAVA ireo mpikirakira lavanila izay manana trosa amin'ireo mpandraharaha lavanila miisa 34 ary trosa hatrany amin'ny 180 miliara Ariary. Miangavy ny fitondram-panjakana ireto mpikirakira lavanila ireto : ''mba tsy omena fahazoan-dalana hiala eto Madagasikara ireo mpandraharaha rehetra izay anananay trosa lavanila, aoka ihany koa mba tsy hahazo hanohy ny fotodrafitr'asa lehibe izay hatsangan'izy ireo raha tsy voaloa ny trosanay.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 avril 2019 14:06
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Faritra SAVA: Loabary an-dasy momba ny seha-pihariana lavanila

    Nihaino nivantana ireo mpisehatra rehetra momba ny lalampihariana lavanila ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronon'ireo Minisitra efatra ao amin'ny governemanta tarihiny. Miteraka olana lehibe voalohany ny daty hisokafan’ny tsena amin'ity taom-piotazana ity. Mangataka ny mpandraharaha mba ho any amin'ny volana Agositra ; ireo mpamboly sy olom-boafidy eny ifotony kosa maniry ny hanokafana ny taom-piotazana amin’ny volana Jolay raha tara indrindra. Ny seha-pihariana lavanila rahateo no miteraka ny tsy fandriampahalemana aty amin'ny Faritra SAVA.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 avril 2019 18:30
    • Sary nomena

    Ambodiriana - Toamasina II: Mihamatihanina ny voly lavanila

    Mijoro ny fikambanan’ny mpamboly lavanila matihanina aty amin’ny Kaominina Ambodiriana Toamasina II, ka tena liana ny vahoaka izay niarahana nijery ny ezaka vao natomboka sy izay efa vita. “Mpamboly Tsy Veta (MTV)”, hafa kely ny anaran’ny fikambanana. Ny antony nisafidianana io anarana io, hoy ny mpitarika, dia mba hampirisika ny tantsaha hanatsara fomba fambolena mba tsy ho vesatry ny firenena.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 avril 2019 17:53
    • Sary nindramina

    Fanjifana: Omby miisa 1 500 isan’andro no vonoina eto Madagasikara

    Ny 400 amin’ireo no filan’ny tsena eto Antananarivo sy ny manodidina, raha 1 500 ny omby vonoina amidy eny an-tsena isan’andro manerana ny Nosy, ankoatra ireo novoina amin’ny resaka kolontsaina sy ireo vonoina an-tsokosoko na rainizavona. Miisa 11 ny karazan’omby eto Madagasikara, ary tombanana eo amin’ny 10 tapitrisa eo ny isan'izy ireo mitambatra, raha mananika ny 27 tapitrisa ny isan’ny mponina.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mars 2019 09:25
    • Photos fournies

    Industrie: Le GEFP célèbre son 20ème anniversaire

    La cérémonie de lancement de la célébration du 20ème anniversaire du Groupement des Entreprises Franches et Partenaires (GEFP) s’est tenue hier jeudi 28 mars à l’hôtel Ibis Ankorondrano - Antananarivo. « Porter le savoir-faire malagasy au cœur du marché mondial », telle est la devise du groupement. Le GEFP regroupe plusieurs entreprises franches et entreprises partenaires qui opèrent dans plusieurs domaines d’activités, mais principalement dans le textile, le traitement informatique, l’agro-industrie, et tant d’autres ; et œuvre pour le développement économique et la création d’emploi à Madagascar. Dans cette optique, l’industrialisation et la création d’emploi décent font parties des priorités du gouvernement, ainsi ce groupement constitue un des piliers du développement socio-économique de la Nation malagasy. De ce fait, l’Etat s’engage à améliorer l’environnement des affaires pour promouvoir l’investissement.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 27 mars 2019 12:01
    • Sary fenehoana

    Antsirabe: Ho tontosaina ny 30 martsa ny Andron'ny Fromazy

    Andiany faharoa ity hetsika ity, ka ny hotely Plumeria no mpikarakara amin'izany. Tanjon'ny hetsika dia ho fampahafantarana ireo vokatra fromazy misy aty Vakinankaratra, ka hisy ny fandraisan'anjaran'ireo orinasa goavana toy ny Tiko SA sy ny Socolait ary ireo mpamokatra madinidinika manana vokatra tsara. Ahitana mpamokatra fromazy be dia be ato Vakinankaratra, manomboka ao Ambatolampy izany ka hatrany Betafo, mandalo an’i Faratsiho, izay mamatsy orinasa goavana sy tranombarotra maro any Antananarivo sy ny faritany hafa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 mars 2019 19:26
    • Sary nindramina

    « Huile essentielle »: Mamokatra 34 taonina isan-taona i Madagasikara

    Malaza amin’ny famokarana menaka manitra na « huile essentielle » i Nosy-Be amin’ny fananany ny zavamaniry Ylang Ylang. Misy 450 ny fatana na « alambic » fitenehana ahazoana « huile essentielle ». Nitsidika ny sasany tamin’ireo ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asatanana Rakotomalala Lantosoa. Mpandraharaha miisa 11 no manondrana ny vokatra any ivelany. Olana sedraina amin’izao ny firongatry ny halatra vokatry ny tsy fandriampahalemana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 mars 2019 10:00
    • Sary Njaka

    Tsena: Grande braderie de Madagascar

    Hifampitaona mandritry ny dimy andro indray ny mpanjifa amin'ny hetsika Grande braderie izay hotontosaina manomboka ny 27 ka hatramin'ny 31 marsa 2019 ho avy izao etsy amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina. Nanambara izany ny Tale jeneralin'ny MADA VISION, HARILALA RAMANANTSOA teny amin'ny Motel Anosy omaly maraina.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 mars 2019 22:48
    • Sary MAEP

    Toliara: Nogiazana ireo sambo sinoa miisa enina nanjono tsy ara-dalàna

    Tsy manjono intsony ireo sambo sinoa miisa enina izay miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toliara. Efa an-tanety avokoa ireo tantsambo ary mitohy ny fanagiazana ataon’ny Foibe mpanara-mason’ny Jono mahakasika ireo fitaovam-panjonoana. Manara-maso akaiky ireo sambo ireo ny Ministeran’ny fambolena, fiompina ary ny jono, hoy ny minisitra Ranarivelo Lucien. Ny 22 febroary 2019 no nanjono farany ireo sambo ireo. Naato taorian’izay ny asan’izy ireo noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny fepetra izay napetraka tamin’ny fifanarahana izay nosoniavina tamin’ny taona 2017.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 mars 2019 10:16
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Orinasa fandrafetan-kazo aman-jatony no hikatona

    Mitaraina ireo mpandraharaha hazo eto an-drenivohitry ny faritra Menabe sy ny manodidina votraky ny fandrarana ny fikirakirana hazo taorian’ny Naoty navoakan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy tamin’ny 29 janoary 2019. Mikatona ny fandrafetan-kazo sy mpanao fanaka, voasazy ny fiara mitondra fanaka vita amin’ny hazo mivoaka an’i Menabe, sahirana ny mpivaro-kazo… nefa fianakaviana 400 eo misy olona hatrany amin’ny 2.500 no tra-pahasahirana vokatr’izany. Misy aminay no mindram-bola amin’ny banky sy ireny mpampindrambola madinika ireny. Ahoana no hamerenanay ny vola nindramina, hoy ny fitarain’ireo mpandraharaha madinika, ny hazo anefa no fivelomanay, sakafo, fitsaboana, fianaran’ny zaza.
    Lire la suite ...
Page 4 sur 44