Economie

    • lundi, 02 octobre 2017 09:03
    • Sary Sobika Antsirabe

    Mpiandraiki-draharaha Indonezianina: Nitsidika an'i Vakinankaratra

    I Vakinankaratra no faritra voalohany notsidihan'ny mpiraki-draharaha Indonezianina vaovao eto Madagasikara ny tolakandron’ny zoma 29 septambra lasa teo. Nambarany fa anton’izany ny fisian’ireo Indostria vaventy sy mpanao asa-tanana eto Vakinankaratra. Ankoatra ny fitadiavana fiaraha-miasa moa, dia isan’ny anton-dian’ity tompon’andraikitra ity ny fitsidihana ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Vakinankaratra ka nanasana ireo mpandraharaha hiatrika ny TEI 2017 any Indonezia. Ny TEI moa dia TradExpo International, izay foara goavam-be any Indonezia ka andiany faha 32 ity hatao amin’ity taona ity. Fantatra tamin’izany fa mbola kely dia kely ny fifanakalozana ara-barotra misy eo amin’ny firenena roa tonta ka fanirian’izy ireo ny hampivelarana izany bebe kokoa ka nahatonga ny fanasany an’I Madagasikara amin’ity hetsika ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 septembre 2017 19:02

    Foire économique de la Région DIANA - Meva 2017

    Nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 30 septambra ho avy izao ny Foara ekonomika ho an’ny faritry Diana, izay atao eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’ny Diego-Suarez. Ity foara ity, izay antsoina ihany koa hoe MEVA 2017 dia karakarain’ny Chambre de Commerce sy ny Indostria avy eto Diego. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izay notronin’i Andriamatoa Shabanie Nourdine minisitry varotra, Rolland RATSIRAKA minisitry ny fizahantany, ny minisitry ny serasera Harry Laurent RAHAJASON, ny Solombavambahoaka Jocelyne Maxime sy ny Ben'ny Tanàna eto an-toerana Djavojozara Jean Luc Désiré, hotronin'ireo tompon'andraikitra ambony maro.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 septembre 2017 21:54
    • Sary Njaka

    Antaninarenina: Nandray ireo mpamatsy vola ny teo amin'ny MFB

    Nandray ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena teny Antaninarenina ny teo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny tetibola MFB androany alakamisy 21 septambra 2017. Anisan'ny resaka manokana tamin'izany ny momba ny Air Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 septembre 2017 21:29
    • Sary Njaka

    Forello Expo Tanjombato: Foire internationale de l'agriculture 1ère édition

    Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany alakamisy 14 septambra 2017 tetsy amin’ny Forello Expo Tanjombato ny andiany voalohany amin’ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny agriculture izay nokarakarain’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny eo anivon’ny Première Ligne. Miisa 117 ny trano eva mampiranty amin’izao hetsika izao ary maro ireo vokatra aseho eny. Amin’ny alahady ho avy izao moa vao hifarana ity Foara ity.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 septembre 2017 20:08

    Madagasikara: 15% mponina ihany no manana herinaratra

    Vita androany ny sonia teo amin’ny sampandraharaha amerikana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana (USTDA) sy ny orinasa malagasy mpamokatra herinaratra Henri Fraise Fils & Cie, nanomezana fanampiana hampiroboroboana sy hananganana tambazotra madinika mpamokatra sy mpitsinjara herinaratra eto Madagasikara, raha 15% mponina ihany no manana herinaratra hatreto. Ity fifanarahana ity dia hoentina manohana ny fanadihadiana teknika sy ara-barotra momba ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ary ny fitsinjarana ireo herinaratra ireo amina tanàna miisa 100. Tafiditra anatin’izany koa ny andrana famokarana sy fitsinjarana herinaratra any Belobaka. Nilaza ny filoha lefitry ny orinasa Henri Fraise, Nicolas Verbert, fa “ankasitrahanay ny tohana omen’ny USTDA amin’ny fiarahanay miasa amin’ny orinasa Fluidic, hametrahana ny famokarana herinatra amin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ary ny fitsinjarana izany. Ny famatsiam-bola avy amin’izy ireo dia sady hanatsarana ny fitrandrahana ara-barotra io teknika famokarana herinaratra io no hoentina hanapariahana izany manerana an’i Madagasikara”.
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 septembre 2017 17:38
    • Sary Njaka

    Asa velotena: Mpanety - Métier du coiffeur au norme sanitaire et rentable

    Anisan’ny fivelomana azo atao ihany koa ny Manety volo, ity lehilahy ity izao dia mahavelona azy sy ny vady aman-janany ny asa manety volo .Manodidina ny iray alina isan’andro eo ny azony amin’izany ary mihoatran’ny roa alina ariary izany rehefa tena mandeha. Mampiasa alikaola izy rehefa manadio ireo fitaovana ampiasainy ary manolo lalandava ny lame isaky ny olona mihety ao aminy. Afa-po ireo mpanjifa satria dia mirary ny saram-pihetezana ary voakaly tsara ny asa ary azo lazaina fa madio sy manara-dalana ireo fitaovana ampiasaina. Arivo ariary dia efa mihety ary diman-jato sy arivo kosa raha miaraka amin’ny volom-bava.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 septembre 2017 20:00
    • Sary Njaka

    Tanjombato: Foire interantionale de l'agriculture

    Ho tanterahina amin’ny 14 septambra ho avy izao eny amin’ny FORELLO EXPO Tanjombato ny FOIRE INTERNATIONALE DE L’AGRICULTURE izay tsy hifarana raha tsy ny 17 septambra ho avy izao. Andiany voalohany izy ity, izay karakarain’ny Ministera fambolena sy ny fiompiana ary ny Agence Première ligne. Izy ity dia natao mba hivondronan’ireo mpandraharaha indrindra mahakasika ny fambolena.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 septembre 2017 17:43
    • Sary Sobika Vangaindrano

    Atsimo Atsinanana: 10.000 Ariary ny kilaon’ny jirofo

    Nanapa-kevitra ny ao amin'ny faritra Atsimo Atsinanana fa efa azo atao ny manangona ny vokatra jirofo noho ny fiovaovan'ny toetr'andro ka tsy miara-matoy ny vokatra. Na izany aza dia ny fivezivezeny ao anatin'ny faritra aloha no azo fa tsy maintsy mandoa tamberimbidy eny amin'ny Kaominina kosa raha hivoaka ny tanàna. Ny famoahana azy ivelan'ny faritra kosa dia mbola miandry mba hitazomana ny atsaran'ny vokatra any amin'ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny lehiben'ny Faritra Atsimo Atsinanana, Dr Théodoret ka hampahafantarina ihany aorian'ny fihaonana eo amin'ireo mpisehatra.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 septembre 2017 11:26
    • Sary Njaka

    Asa tanana: Ireto no antsoina hoe BE ANGANDY

    Mpivarotra angady, antsy, antsim-bilona, antsibe fikapana hena, angadin’omby sns. Eny Isotry no misy ireto mpivarotra ireto ary eny no jifain’ireo tantsaha mila izany. Misy ny afaka maka maro ary misy ihany koa ny maka amin’ny antsinjarany, any amin’ny faritra Alatsinainy Bakaro any ireto mpivarotra ireto no manafatra ireto entana ireto. Tsy nofaritan’ireo mpivarotra moa ny vidin’izy ireo fa dia milaza ireto farany fa dia mahavelona ny fivarotana ireto fitaovam-pamokarana ireto.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 31 août 2017 22:11
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe: Raikitra ny « Vitrine du Vakinankaratra »

    Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 31 aogositra ka haharitra hatramin’ny 2 septembra ny « Vitrine du Vakinankaratra » andiany faha-20, manoloana ny garan’Antsirabe. Trano heva miisa 152 no ampiratiana ireo vokatry ny mpamboly sy mpanodina akora, madinika sy salantsalany, mpikambana ao amin’ny FIOVA, izay omena sehatra manokana mandritra ity hetsika ity. Nambaran’Atoa Ramarojaona Andrianjafy, filohan’ny FIOVA, fa natao hampisehoana ny fahaizamanao sy ny zava-bita ny hetsika ary ny asa ataon’ny tsirairay. Natao handrefesana ny hoavy ihany koa ny hetsika ka ahafahana mahita fa mandroso ny faritra Vakinankaratra.
    Lire la suite ...
Page 3 sur 32
B1 - Polyclinique
B2 - Toa