Tarika Wawa: Hiezaka ny tarika hampahafantatra sy hizara ny « salegy » any ivelany

  • lundi, 10 février 2020 22:15
  • Tigre
  • Bebel Betombo

Nigadona teto Nosy-Be i Wawa androany, taorian’ny nandraisany ny loka « Mozika Salegy – Spécial » tamin’ny fifaninanana RDJ Mozika 2019.

Nisy ny fitsenana azy manokana hatreny amin’ny seranam-piaramanidina Fascene niazo ny tanàna.

17 taona izao ny tarika Wawa tarihin’i Andrihamahazo Joel Issoubaly, fa izay no tena anarany. Nilaza izy tamin’ny tafa fohy teo ampahatongavana teo Fascene fa hijanona tsy andray anjara amin'ny fifaninanana RDJ ka nitsodrano ireo artista rehetra kosa mba hanohy hatrany.

Manomboko izao kosa ny tarika dia hiezaka hitety an’izao tontolo izao hampahafantatra sy hizara ny « salegy » mba ho laza sy reharehan'i Madagasikara. Hiezaka hiaraka hihira sy andihy ny « salegy » miaraka amin'ireo mpanakanto fanta-daza maneran-tany i Wawa.

(Jereo Sary Tohiny)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.