Wawa: Notoloran'ireo mpikarakara azy ny Limousine

  • jeudi, 02 janvier 2020 11:35
  • Tigre
  • Sary nindramina

Tanteraka soamantsara ny lanonana namaranana ny taona 2019, ka niarabana ny taona vaovao 2020 tao Paris, niaraka tamin'ny mpihira fanta-daza Wawa sy ireo mpanakanto maro nanafana ny lanonana.

Nankasitraka ny fiarahana miasa efa ampolo taonany maro ireo mpikarakara, ka dia natolotra an'i Wawa ilay fiara Limousine nitondrana azy tao Paris, sady ho fanamarihana ihany koa ny tsingerin-taona nahaterahany.

Mamarana any Rennes ny zoma izao, ary manakatona ny diany nitety an'i Eoropa i Wawa sy ireo mpanakanto namany amin'ny sabotsy izao any Bordeaux, dia hiazo an'i Madagasikara amonjy ny tanindrazany izy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.