OMDA: Voafidy ho filohan`ny Filankevi-pitantanana Razafiarison Francis Alexandre

  • lundi, 02 décembre 2019 11:55
  • Zakaria
  • Sary: OMDA

Nivory voalohany tetsy amin’ny foiben’ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona na OMDA etsy Faravohitra, ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevi-pitantanana ny 26 novambra 2019. Nandritra izany no nahavoafidy an-dRazafiarison Francis Alexandre, solontenan’ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina, ho filohan`ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA.

Telo taona no fe-potoana iasan’ny filohan`ny Filankevi-pitantanana.

Tale jeneralin’ny kolontsaina Razafiarison Francis Alexandre. Francis Turbo no anarana maha mpanakanto ahafantaran’ny olona azy, indrindra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.