« Robotex Armenia 2019 »: Tsy lasa ny solontena Malagasy noho ny olana ara-bola

  • vendredi, 08 novembre 2019 16:37
  • Zakaria
  • Sary nomena

Niomana i Madagasikara hifaninana amin’ny Robotex Armenia 2019 : International Robotics Contest, fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny robot.

Tokony nanainga omaly hariva niazo an’i Arménie ny ekipa malagasy « Girls Robotika Madagascar » nahitana an’i Ravololonantenaina Misa, Landy Tiana, Razanakoto Lorie ary Rasamimanana Mickaella, izay saika hiatrika ny fanamby « Robotex Armenia 2019 ». Tsy tanteraka anefa izany, hoy ny STEM4Good namolavola azy ireo, noho ny olana ara-bola, na teo aza ireo malalatanana vitsivitsy.

Tsy hijanona eo ny tantaran'izy dimy vavy, ary tsy ho very maina ny ezaka lehibe natao, ny fiaretan-tory sy ny fitotototoana hitady mpanohana efa ho roa volana izay, fa hatao izay hahatafiditra azy ireo amin'ny fanamby Robotex manaraka, hoy ny STEM4Good.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.