Fafa Mahaleo: Hatao eny Ilafy ny alarobia 23 oktobra ny fandevenana azy

  • lundi, 21 octobre 2019 23:13
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hisy ny fanomezam-boninahitra farany an-dRajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo ; izany dia hatao ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina amin'ny alarobia 23 oktobra 2019. Hifamotoana eny an-toerana ny artista amin’ny 8 ora sy sasany maraina, raha ny fandaminan’ny OMDA (Office Malagasy du Droit d'Auteur). Amin'ny 10 ora no ho tonga ao an-toerana ny nofomangatsikan'i Fafa

Ho entina eny amin'ny FJKM Faravohitra ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, aorian’izay, io andron’ny alarobia io ihany, dia hiazo an’i Rangaina-Ilafy Antananarivo Avaradrano hanatanterahana ny fandevenana.

Nodimandry omaly alahady 20 oktobra 2019, teo amin’ny faha-65 taona i Fafa rehefa nialana nenina notsaboina tao amin’ny HJRA Ampefiloha Antananarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.