« Découverte » – « Kôpi Kôlé » 2019 : Nibata ny fandresena i Mamiana sy « Rossy »

  • dimanche, 20 octobre 2019 19:46
  • Tigre
  • Sary nindramina

Fampisehoana lehibe tao amin’ny Coliseum Antsonjombe-Antananarivo no nanakatona ny fifaninanana « Découverte » sy « Kôpi Kôlé » taona 2019, nokarakarain’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus Madagascar.

Nambabo ny fon’ny mpijery sy ny mpitsara ary ny mpanatrika ny famaranana i Mi-Dera Glôpôpôpy avy ao Antsirabe, ka izay no voafidy ho « Coup de cœur » teo amin’ny sokajy « Découverte » tamin’ity fifaninanana ity. Nandrombaka ny fandresena tamin’io sokajy « Découverte » kosa i Mamiana. Ity tovovavy ity no zandriolona indrindra tamin’ireo mpifaninana niatrika ny famaranana ; 14 taona i Mamiana.

Fa nambabo ny fon’ny mpijery sy ny mpitsara ary ny mpanatrika ny famaranana ny sokajy « Kôpi Kôlé » tamin’ity andiany 2019 ity i Hery avy any Moramanga, nanao « Kôpi Kôlé » Jaojoby. Nandrombaka ny « Kôpi Kôlé 2019 » i Ra-Tin avy any Fianarantsoa, « Kôpi Kôlé Rossy».

Nanohana be an-dRa-Tin na tamin’ny fihirana, fiantsehatra eny ara-pitaovana zavamaneno (angorodao sy gitara) i Rossy. Nankasitra ny zava-bitan’i Ra-Tin sy ny firaisankinan'i Fianarantsoa nanohana azy ihany koa ny Governoran’i Matsiatra Ambony tamin'izao fandresena azony izao.

Ankoatra ireo fanomezana samihafa azon’ny mpandresy avy amin’ireo mpanohana ny fifaninanana dia loka lehibe ho azy efatra mianadahy mpandresy tamin’ity andiany 2019 ity ireo ny fitsidihana ny tanànan’i Addis Abeba, renivohitr’i Ethiopia, miaraka amin’ny kaompania Ethiopian Airlines sy ny TV Plus mpikarakara.

Niara-nitsangana nanokana iray minitra fahanginana ny tato amin’ny Coliseum, ho an’i Fafah Mahaleo izay nodimandry tamin’ity alahady 20 oktobra 2019, andro famaranana ny fifaninanana nokarakarain’ny TV Plus Madagascar. Niara-nihira ny « Ise kely » ihany koa, taorian’ny fizarana loka sady famaranana ny seho teto Antsonjombe ho fanaovam-beloma an’i Fafah Mahaleo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.