Big MJ: Hafa kely ny nankalazany ny faha-32 taonany

  • dimanche, 20 octobre 2019 18:12
  • Zakaria
  • Sary nindramina

« Tsingerintaona nahaterahako androany 20 oktobra », hoy i Big MJ ao amin’ny pejiny facebook. Faniriany ny hiara hifaly sy hiara hisakafo amin’ny olona rehetra, saingy ho sarotra izany hoy ity mpanakanto zanak’Antalaha ity.

Nitety toerana samihafa i Big MJ, androany, nizara pizza sy sandwitch tamin’ireo olona sahirana, nanamarihana izao fankalazany ny faha-32 taonany izao.

Toetranaina Parfait no tena anarany, Big MJ kosa no anarana maha mpanakanto ahafantaran’ny maro azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.