Fafah Mahaleo: Nodimandry androany teo amin’ny faha-65 taonany

  • dimanche, 20 octobre 2019 15:41
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Namoy ny rahalahy, mpikambana mpiara-mamorona ny tarika Mahaleo. Nodimandry ny marainan’ity alahady 20 oktobra 2019 ity,  teo amin’ny faha-65 taonany Rajaonarison Famantanantsoa na Fafah araka ny ahafantaran’ny maro azy.

Efa narefo fotoana lavalava, misava mirakotra ny fahasalaman’i Fafah, antony tsy nahafahany niaka-tsehatra niaraka tamin’ireo namany tamin’ny fampisehoana nataon’ny tarika Mahaleo, tao Antsahamanitra ny 13 oktobra 2019.

Ao amin’ny tranompaty HJRA Ampefiloha ny nofo mangatsiakany.

(Jereo Sary Tohiny)

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.