Festival Angaredona: Nanomboka androany ny andiany faha 15

  • jeudi, 03 octobre 2019 17:34
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Raikitra ary nanomboka androany 3 oktobra 2019 eto Antsirabe ny Festival Angaredona, andiany faha-15. Nosantarina tamin'ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo mpanankanto miisa 51 ny hetsika. Misy mpitendry mozika, mpanoratra sy mpikambary ary mpanao hosodoko isan-karazany izy ireo.

Ireo izay nangataka, no nomena mari-boninahitra, rehefa nahafeno ny fepetra, fa tsy ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina no nifantina ireo notolorana izany.

Tonga teto Antsirabe ny minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo nanolotra izany no sady nanokatra ny « Festival Angaredona ».

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.