Festival Angaredona: Antsirabe no hampiantrano ny andiany faha-15

  • vendredi, 27 septembre 2019 15:34
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Ho tontosaina eto Antsirabe ny 03 ka hatramin’ny 06 oktobra izao ny “Festival Angaredona andiany faha 15”. Nampahafantatra izany tao amin’ny Alliance Française Antsirabe ny mpikarakara, notarihin-dRajery.

Mpanakanto manodidina ny 50 no handray anjara amin’ity « Festival Angaredona » io, hisy avy any Kameronina, Etopia sy avy any Amerika. Ho avy ihany koa i Talike, mpanakanto Malagasy mipetraka any Belzika.

Manohana ity hetsika ity ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ary ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Vakinankaratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.