Ali Botralahy – Tompondaka tsianjery ny Korany: Notoloran’ny Fanjakana mari-boninahitra

  • dimanche, 22 septembre 2019 10:11
  • Zakaria
  • Sary nindramina

« Ordre du Mérite de Madagascar », io no mari-boninahitra natolotry ny Fanjakana an’i Ali Botralahy ho fankasitrahana azy tamin’ny nahavoahosotra an’ity tovolahy ity ho tompondaka erantany amin’ny famakiana tsianjery ny boky masina « Korany », nandritra ny fifaninanana natao tany Arabia Saodita.

Ny minisitry ny Ati-tany, Razafimahefa Tianarivelo, no solontenam-panjakana nanolotra ny mari-boninahitra, teto Antsiranana ny sabotsy 21 septambra 2019, notronon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine, sy olomanankaja maro.

Mpianatry ny oniversite Antsiranana i Ali Botralahy, avy ao Soafeno. 20 taona ny tovolahy, tamin’ny taon-dasa 2018 izy no nahazo mari-pahaizana bakalôrea ary « Mention Assez-bien ».

Tao amin’ny "Madrassat Miftahu Al Inloum" Antsiranana no nanombohan’i Ali nanao tsianjery ny Korany, avy eo nanohy tao amin’ny Centre Coranique de l'Océan Indien.

Ny akaiky azy dia olona tia Korany sy nandalina izany avokoa. Telo miralahy izy Ireo , ary efa nahavita tsianjery ny boky masina Korany avokoa.

Efa nisolontena an'i Madagasikara ihany koa i Ali tamin’ny fifaninanana Korany natao tany Maroc, talohan’ny nandehanany tany Arabia Saodita, ary laharana faharoa izy tamin'izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.