Papa Fransoa: Mitohy atsy Maorisy ny fitsidihana Apostolika ataony

  • lundi, 09 septembre 2019 11:42
  • Britto
  • Sary nindramina

Taorian’i Mozambika sy Madagasikara dia ny nosy Maorisy no hamaranan’i Papa Fransoa ny fitsidihana Apostolika faha-31 ataony.

Niainga ny maraina tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidin'ny kaompania Air Madagascar nitondra azy, ary hiverina eto Antananarivo anio hariva ihany.

1,3 tapitrisa eo ny mponina atsy Maorisy, izay manaraka ny finoana Hindoue ny 52%, Kristianina ny 30% ary Silamo ny 18%.

Andro tsy fiasana atsy Maorisy anio noho ity fitsidihan’i Papa Fransoa ity. Nanamboatra lalana sy toerana manokana eo amin'ny "Marie, Reine de la Paix" hanaovana ny lamesa lehibe anio ry zareo Maorisianina hampizotra an-tsakany sy andavany izany, ao Port Louis.

Tombanana ho iray hetsy eo ny mpino hiara-hiombom-bavaka eo amin’ny toerana voaomana amin’izany, amin’ity fotoan-dehibe anio atsy Maorisy ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.