Fitsenana an’i Papa Fransoa: Voafidy nanolotra fehezam-boninkazo ho azy i Norvé sy Anja

  • vendredi, 06 septembre 2019 19:44
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Isany nanamarika ny fitsenana ny fotoana nahatongavan’i Papa Fransoa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato androany tolakandron’ny zoma 6 septambra 2019, ny fanolorana fehezam-boninkazo ho azy, marika fa tonga soa eto Madagasikara izy.

Voafidy hisolontena ny ankizy Malagasy, nanolotra ny fehezam-boninkazo ho an'i Papa Ray Masina, i Lahiniriko Norvé, zazalahy 12 taona avy any Mahabo Diosezin’i Morondava sy Andriamanantena Anja, zazavavy kely 10 taona avy ato amin’ny Diosezin’Antananarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.