Kolontsaina: DJ DINA Officier de l’ordre des Arts, des lettres et de la culture

  • samedi, 27 juillet 2019 19:32
  • Zakaria
  • Sary Njaka

Notolorana mari-boninahitra Officier de l’ordre des Arts, des lettres et de la culture i RABE DINA na i DJ DINA raha ny fahafantaran’ny be sy ny maro azy.

Ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ity fanolorana mari-boninahitra ity izay sambany teto amin’ny tantaran’ny firenena ny hoe mpikosoka kapila nahazo izany mari-boninahitra izany, ka ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy no nanolotra izany, izay natao teny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy omaly zoma 26 jolay 2019.

Nisy ny fiarahana mikorana niarahana tamin’ny DJ DINA tao amin’ny Carlton Anosy omaly alina, izay niarahany tamin’ireo DJ maro samihafa ary ireo mpakafy azy.

Marihina moa fa i RABE DINA dia efa tamin'ny taona 1989 no nanomboka nanao ity asa ity izay antom-pivelomany mandra-kankehitriny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.