Fandraisana an’i Papa Ray Masina: Hovitaina hatramin’ny 22 aogositra ny toerana eny Soamandrakizay

  • mercredi, 24 juillet 2019 19:30
  • Zakaria
  • Sary nomena

Vita ny 95% ireo asa lehibe eny Soamandrakizay, Androhibe - Antananarivo hihaonan’i Papa Fransoa amin’ny mpino sy hanaovana ny sorona masina lehibe tarihiny amin’ny 8 septambra 2019. Ny fampitaovana sy fanorenana ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpino 800 000 avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, tombanana ho avy eny an-toerana.

Nijery sy nanara-maso ny fivoaran’ny asa teny an-toerana ny filoha Andry Rajoelina niaraka tamin’ny Kardinaly Mgr Désiré Tsarahazana sy ny solontenan’i Vatican eto Madagasiakra, Mgr Paollo Rocco Gualteri androany maraina.

Nambara fa amin’ny 22 aogositra no hamaranana ny asa fanamboarana eny. Efa mipetraka ihany koa ireo fepetra sy fandaminana noraisin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny handraisana ireo mpino eny Soamandrakizay mandritra io fotoan-dehibe io, na eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana izany, na ny fidiovana sy ny fahadiovana, ny fahalasamana sy ny vonjy taitra ary ny serasera.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.