Foloalindahy Malagasy: Mitaiza sy mikolo ny fanahy ihany koa

  • dimanche, 21 juillet 2019 16:30
  • Zakaria
  • Sary:Fiarovam-pirenena

Manana tarika ara-pilazantsara ny miaramila. «LOVA » na ny « Lalana Omban’ny Voninahitr’Andriamanitra » ny anarany. Ny taona 1989 no niforonany tao Toliara, ary nahazo fankatoavana tamin’ny Etamazaoro Jeneralin'ny Tafika Malagasy ny taona 1999.

Feno 30 taona ny «LOVA » ankehitriny, ary ny Adjudant-major Revemo Jean Maksera, efa nisotro ronono, no lehibeny. izay ahitana delagasiona miisa 16

Ankoatrin’ny fanabeazana ara-panahy sahanin’ny fitaizam-panahy misy eo anivon’ny Foloalindahy dia manampy iretsy farany amin’ny fitoriana ny Filazantsara any amin’ireo faritra mena ihany koa ny «LOVA », hisarihana ny fahatokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy amin’ny asa sahaniny.

Misy ny fiaraha-miasan’ny «LOVA » amin’ny NMS « Norvegian Missionary Society » nanomboka ny taona 2004. Niazo an’i Norvezy manao fivahinianana masina ity tarika ara-pilazantsara an’ny miaramila ity, nanainga tamin’ny 16 jolay 2019, tohin’ny natao tamin’ny taona 2014. Ny fikambanana NMS no miantsoroka ny fandaniana rehetra amin’izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.