Antananarivo: Miampy iray ny efitrano fijerena sarimihetsika eto an-drenivohitra

  • samedi, 20 juillet 2019 19:29
  • Britto
  • Sary nindramina

Notokanana ofisialy omaly zoma 19 jolay tetsy Andohatapenaka - Antananarivo ny « Canal Olympia ». Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity fotodrafitrasa vaovao ity, ahitana efitra lehibe fijerena sarimihetsika mahazaka olona 300, ary misy toerana fanaovana seho sehatra ihany koa eo ivelany.

Angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro no mamatsy ity toerana ity iray manontolo.

Nosoniavina nandritra izao fitokanana izao ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Canal Olympia sy ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hahafahan’ny Ministera mampiasa ity toerana ity hanosehana ireo mpiangaly ny kanto malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.