Antsirabe: Sambany ny hetsika "Grande Foire des Enfants et Maman"

  • jeudi, 20 juin 2019 15:08
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Ho tontosaina voalohany eto Antsirabe ny 22 sy 23 jona izao ny Tsenaben'ny Reny sy ny zaza na ny "Grande Foire des Enfants et Maman".

Ny fikambanana Away Communication no tompomarika amin'ny hetsika, izay kendreny hitohy isan-taona, raha toa ka ao Antananarivo hatrany no misy hetsika ho an'ny Reny sy ny zaza, ka ireo mpandraharaha mian-tsehatra amin'izany no entiny voalohany aty Antsirabe mba ho fanomezana fahafaham-po ny mponinan' Antsirabe.

Tafiditra amin'ny fankalazana ny Iray volan'ny ankizy ihany koa ny hetsika, satria homena sehatra be dia be ny ankizy mandritra ny hetsika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.