Fanapoahana tsipopoaka: Azo atao any an-tokantrano fa voarara amin’ireo toerana vory vahoaka, hopitaly, toby miaramila …

  • mardi, 18 juin 2019 20:33
  • Zakaria
  • Sary fampihaingoana

Namoaka fanambarana ao amin’ny pejiny Facebook, androany, ny ministeran’ny fiarovam-pirenena milaza fa “ho amin’ity taom-pankalazana ny faha-59 ny tsingerintaonan’ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan’ny Foloalidahy Malagasy ity dia afaka atao ny mivarotra sy ny manapoaka izany any an-tokantrano misy azy tsirairay avy”.

Nanipika mazava kosa ilay fanambarana fa “raràna mafy arak’izany ny fanapoahana izany eny amin’ireo toerana vory vahoaka, hopitaly sy ireo toerana saro-pady toy ny manodidina ny Toby misy ny mpitandro filaminana ary ireo toerana manakaiky ny tobin-dasantsy samihafa”.

Ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny fahaleovantena isika izao ka mandritra izany dia tsy azo atao ny mandika ireo toerana izay voalaza fa tsy afaka hananterahana izany, mihatra avy hatrany ny lalàna ho an’ireo izay mihoa-pefy amin’izany.

Ho fitandrovana ny ratra na ny aina ho an’ny rehetra ary koa ho fanomezana hafaliana ho an’ireo ankizy tia milalao izany no anton’ireo fepetra ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.