Mpanakanto: Nodimandry i Dors (Dors Groupe)

  • vendredi, 14 juin 2019 13:41
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Namoy olomanga ny kanto Malagasy. Nindaosin'ny fahafatesana androany, tamin'ny 3ora maraina tao amin'ny hopitaly be Toamasina, i Dors na Razanadahy Théodore Stéphan, fa izay ny anarany feno.

Mpikambana mpamorona ny tarika mpihira Dors Groupe izy, tarika niforona tamin'ny 1983 ary anisany tao amin'ny tarika Kaiamba.

Maro ny hiran'ny tarika, anisany nahalalana azy ny "Tsy nampoiziko", "Tsy anjara", "Leboto", "Mitongava mamangy",...

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.