Mpanakanto: Notolorana mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture » i Solofo

  • lundi, 10 juin 2019 18:17
  • Britto
  • Sary nindramina

Nandritra ny fampisehoana tao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, androany no nanoloran’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture », an’i Solofo, na Rasolofoniaina Nomenjanahary Andriambao, fa izay no tena anarany feno, ho fankasitrahana ny asa vitany tamin’ny fanabeazam-boho sy fanandratana ny mozika malagasy.

Mpitendry angorodao sy vatamaroafitsoka kalaza i Solofo. Mpamoron-kira ihany koa izy, miara-miasa amin'ny mpanakanto maro ary anisan'ny nanandratra avo ny lazan’i Madagasikara sy ny mozika malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.