Finoana Katolika : Fetim-bokatry ny « Seminera zandriny » Ambohipo - Antananarivo

  • dimanche, 02 juin 2019 12:32
  • Zakaria
  • Sary fanehoana nindramina

Andro lehibe ho an'ny fianakaviam-ben’ny Seminera Zandriny Ampahateza-Ambohipo  sy ny Diosezy Antananarivo ity Alahady 2 jona ity.

Fetim-bokatra ao an-toerana anio handraisana ireo tolotra avy amin’ny Kristianina, ny fianakaviana, ny faritra, ny isam-paroasy, ny fileovana, ny distrika, ny fikambanan-drelijiozy, ny sekoly katolika, ny fikambanana masina, ny vaomieran’asa, ny hery velona rehetra mandrafitra ny  Fiangonana, hanampiana sy hanohanana feno ny taninketsan’ny fiantsoan’Andriamanitra ho pretra.

Misy ny Sorona Masina tarihin’ny Arseveka, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.

Aorian'ny izay ny lalao samihafa, arahin'ny sakafom-pianakaviana ary hira gasy ataon’ny seminarista no hanakatona ny andro anio.

 
 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.