RyKala Vazo: Nodimandry androany i Mitchou

  • samedi, 25 mai 2019 21:56
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fahatsentseman'ny lalandra no nidirany hopitaly ny 20 mey 2019. Teo ampanomanana ny handefasana azy hotsaboina any ivelany no izao nindaosin'ny fahafatesana izao i Mitchou, tao amin'ny HJRA Ampefiloha, na nanao ny ala nenina rehetra aza ny mpitsabo.

Andriambolatiana Miarintsoa ny anarany feno, Mitchou no fiantson'ny namany sy ny fianakaviana azy. Mbola mpitovo.

Mpikambana mpamorona ny tarika RyKala Vazo i Mitchou. Mpamorona sady mpihira, mpively aponga, mpitendry gitara beso tao amin'ny tarika izy.

Eo ampanomanana seho sehatra maro ny tarika no izao tojo fahabangana izao noho ny fahafatesan'i Mitchou.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.