Indonezia : Voafidy fanindroany ho filoha i Joko Widodo

  • mardi, 21 mai 2019 15:19
  • Zakaria
  • Sary internet

55,5% ny vato manankery no azon’i Joko Widodo na "Jokowi" araka ny fiantson’ny olona azy, nanoloana an’ilay jeneraly misotro ronono Prabowo Subianto mpifaninana taminy, izay nahazo 44,50% araka ny nambaran’ny vaomieram-pifidianana any an-toerana.

57 taona izao i Jokowi. Tamin’ny 2014 izy no voafidy voalohany hitondra an’i Indonezia, rehefa nahazo isam-bato 53,15%.

Indonezia:
- Renivohitra: Jakarta
- Velarantany: 1 904 569 km²
- Misy nosy kely faran'ny betsaka manerantany (Archipel) ao atsimo atsinanan'i Asie: 13 666, izay ny 922 amin'ireo nosy ireo no misy monina.
- Isan'ny mponina (2018): 262 787 403 (faha 4 maneran-tany ny amaroan'ny mponina)
- Zanatany Pays-Bas teo aloha, ary nahazo fahaleovan-tena ny 17 aogositra 1945, ary nekena ho firenena mahaleo tena ny 27 desambra 1949.
- Olona tsy an'asa: 6.10% , ary 13 120$ ny harikarena isaky ny mponina ny taona 2018.

(Tsy afangaro amin'ny Inde i Indonésie)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.