Fampianarana Teny Anglisy: Hisy fikaonandoham-pirenena hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato

  • mercredi, 15 mai 2019 22:50
  • Britto

Sambany i Madagasikara no hampiantrano ity atrikasa lehibe ity, izay tarihin’ny manam-pahaizana momba ny fampianarana ny teny anglisy avy amin’ny Departemantam-panjakana amerikana, ary misahana ny Faritra aty Afrika.

Mpampianatra teny anglisy miisa 333 avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy, araka izany no handray anjara amin’ity Fikaonandoham-pirenena momba ny Fampianarana Teny Anglisy ity, izay hotanterahina eny amin’ny Centre de Conférence Internationale - CCI Ivato ny alatsinainy 20 mey ho avy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.