Sabotsy Léocadis: Tovolahy lava hoho aty SAVA

  • lundi, 13 août 2018 17:48
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava - Sary net

Roa taona lasa izay hoy i Léocadis no nanomboka nikolokoloako ny hohoko. 6,5 sm ny halavany amin'izao.

Mahafinaritra ahy hoy izy ny maheno ireny olona malaza ary miavaka noho zavatra iray ireny, ka nanomboka teo no nampitsiry izany faniriako izany.

22 taona izao i Léocadis amin’izao, monina eto Antsirabe Sambava, fa any Fenoarivo Atsinanana no tena fiaviany.

Faniriany indray andro any mba ho voarakitra amin’ny boky “Guinness des records” misy ireo olona miavaka indrindra eto Madagasikara.

Amin'izao moa dia i Ayanna Williams mipetraka any Houston Amerika no mitana izany laharana voalohany izany amin'ny halavan'ny hoho mitambatra, mirefy 18 pieds - 10,9 pouces na 226,9 pouces na 574,04 cm na 5,7404m.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.