Toamasina: Nodimandry i DJ Angelo

  • lundi, 06 août 2018 08:13
  • Britto
  • Sary Net

Nindaosin’ny fahafatesana ny alin'ny sabotsy 4 aogositra 2018, rehefa nolazoin’ny aretina fotoana lavalava i Todizara Angelo na DJ Angelo, araka ny nahafantaran’ny maro azy, noho izy mpanentana tamin’ireo trano fandihizana sy lanonana samihafa, ankoatra ny maha mpanentana azy tao amin’ny onjam-peo VIVA Toamasina.

Nilana fitsaboana tany ivelany ny aretiny ary lafo ny sarany saingy tsy nety nahazoany fahazoan-dalana izany na dia nanao fangatahana im-betsaka aza ny fianakaviany, ankoatr'ireo fanafody hitan'ireo malala-tanana.

Mpamoron-kira i DJ Angelo ary isan’ny hira noforonony ary nampihirany an’i Stephanie ilay hoe : “Dontsiky”.

Mpanolontsain’ny tanànan’i Toamasina ihany koa i DJ Angelo, voafidy tamin’ny lisitra MAPAR.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.