Mahajanga: Raikitra ny “Fanompoa Be” 2018

  • mardi, 24 juillet 2018 15:20
  • Britto

Tanteraka ihany, na teo aza ny savorovoro tato anatin’ny herinandro, ny Fanompoa 2018 ny Ampanjakabe efa-dahy manankasina, Andriamisara, Andriamandisoarivo, Andriamboniarivo ary Andriagnianina, eo amin’ny Doany Miarinarivo Tsararano Ambony Mahajanga.

Fomba amampanao Sakalava Boeny ny “Fanompoa Be”, ankalazaina isan-taona isaky ny tapatapaky ny volana jolay ary maharitra herinandro.

Olona maro no tonga omaly, nanombohany, nifanotrona tamin’ireo mpanompo, notarihin’ireo ampanjakaben’i Boeny telo tonta, Rasamimanana, Soamody ary Jean Noel.

Hitohy hatramin’ny zoma amin’ny rebika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.