Fianarantsoa: Gazety Lakroan'i Madagasikara mamoaka ny lahatsoratra voasivana

  • mardi, 03 juillet 2018 19:56
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Mahery ny 120 no lahatsoratra voasivana teo amin'ny famoahana ny gazety Lakroan'i Madagasikara teo anelanelan'ny 1975 sy 1989. Tany amin'ny taona 1985 no betsaka indrindra tamin'izany.

Namoaka "Magazine spécial" na gazety boky manokana ahitàna ny sombiny amin'izany fanadihadihana voasivana izany ny gazety ho fanamarihana ny faha-90 taona nisiany. Nampafantarina ity tolakandron'ity talata 3 jolay ity izany tao amin'ny trano malalaka ao amin'ny kolejy SFX Ambatomena.

Misy takelaka 80 ilay gazety boky ary mizara 5. Ny 1/3 amin'ireo lahatsoratra voasivana no zaraina ao anatin'izany. Eo ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy sy frantsay ankoatra ny fijoroana vavolombelona sy fampafantarana momba ny mpiaramiombon'antoka.

Mitoetra ho rakitra manampy amin'ny fikarohana ilay boky amin'ny ankapobeny, mitondra fampahalalana momba ny zava-nisy teto amin'ny firenena ihany koa amin'ny lafiny tantara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.