Antsirabe: Kilonga milalao

  • mercredi, 27 juin 2018 17:01
  • Britto
  • Sary nomena

Tontosa soa aman-tsara ny tontolo andron’ny 23 jona ny « Kilonga milalao ». Andiany faha-2 tamin’ity hetsika karakarain’ny Kilonga Events Antsirabe ity, ary ankizy nanodidina ny 180 teo no namaly ny antso sy nisitraka ireo kilalao maro nomanina teo amin’ny tokontany malalaky ny Faritra Vakinankaratra, avaratry ny Katedraly Katolika Antsirabe. Volana natokana ho an’ny ankizy rahateo ny volana jona.

Mpiahy ity hetsika ity ny jeneraly Ratokotonarivo William, lehiben’ny Faritra Vakinankaratra. Niara-niasa kosa ny Faritra Vakinankaratra, Kaominina ambonivohitra Antsirabe, Alliance Française Antsirabe, Croix Rouge Antsirabe, Mpiara Mamaky Baiboly miaradia amin’ny ankizy, Mpanazava FLM Antampotanana Antsirabe.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.