Fianarantsoa: Election Miss Matsiatra Ambony.

  • jeudi, 21 juin 2018 10:14
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Miditra amin'ny dingana famaranana ny fifidianana ny tovovavy mendrika indrindra hisolotena ny faritr'i Matsiatra Ambony eto an-toerana sy amin'ny sehatra nasionaly.

Hotanterahina ny 25 jona ho avy izao ny hetsika fanamarihana izany.

7 no isan'ny mpifaninana hiatrika izany. Hisy ny fanofanana azy ireo, 3 andro mialoha ny dingana famaranana.

17 ka hatramin'ny 20 taona izy ireo, mirefy hatrany amin'ny 1,75m.

Isan'ny fanentanana iray manetsika ny tananan'i Fianarantsoa ity fifidianana ny tovovavy mendrika indrindra ity amin'ny fanamarihana ny fetim-pirenena ho avy io.

Reny mpiahy ireo tovovavy ireo ny mpandraharaha iray eto an-tanana, mpanohana akaiky ihany koa ny mpilatro malaza manana traikefa hatramin'izay. Miara-miombon'antoka amin'ny hetsika ireo orinasa sy olona maro maniry hanandratra ny reharehan'ny faritra eto an-toerana. Ary miahy manonkana ny fifaninanana ny foibe-paritry ny fizahantany sy ny ORTF.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.